Liana ny hampiasa vola eto Madagasikara ny egiptianina amin’ny fampiroboroboana ny indostria. Nihaona tamin’ny minisitra Razafindravahy Edgard ny ambasadaorin’i Egipta, Rabab Abdelhadi, ny alakamisy teo. Voaresaka manokana ny fomba fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Nilaza ny ambasadaron’i Egipta fa efa nifanakalo hevitra tamin’ny sehatra tsy mianakina izy hatramin’ny nahatongavany teto Madagasikara efa ho herintaona. Araka izany, tsapany fa tokony hampitomboina ny fifanakalozana eo amin’ny Nosy malagasy sy i Egipta. “Liana ny mpampiasa vola egiptianina saingy mbola tsy ampy ny fahalalany momba ny sehatra azo trandrahina sy ny antoka amin’ny fampiasam-bola eto Madagasikara”, raha ny nanambarany. Nilaza kosa ny minisitra fa efa voafaritra ao anatin’ny lalàna momba ny fampiasam-bola izany saingy mila hamafisina ny serasera hampahalalàna azy. Vonona hiara-hiasa
amin’i Egipta i Madagasikara amin’ny fividianana ireo milina mpanodim-bokatra hovokariny. Anisan’ireo andry telon’ny fampandrosoana ny firenena rahateo ny indostria. Ankehitriny, milina indostrilay manodidina ny 75 no efa miparitaka manerana ny Nosy izay mbola hotohizana sy hapetraka eny anivon’ny kaominina samihafa hampiodinana ny vokatry ny tantsaha.
Henintsoa H.