Nahatratra 625 516 kilao ny fitambaran’ny masomboly vary nozaraina ho an’ny tantsaha miisa 56 516 manerana ny Nosy, ny volana novambra 2023 hatramin’ny febroary 2024 izao. Nilanja 111 726 kilao koa ny masomboly soja notsinjaraina, raha 260 821 kilao ny voanjo.
Manampy ireo ny zezika organika milanja 5 479 740 kg sy zezi-bazaha NPK,
1 018 688 kg. Miisa 20 ny faritra nisitraka ireo tohana avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ao anatin’ny tetikasa “Purpa”, tohanan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka samihafa, toy ny Fifamanor, ny SOC, ny Fofifa, ny FDA, sns. Nanomboka tamin’ny taona 2022 ny tetikasa ary ho tapitra amin’ity taona 2024 ity. Ao anatin’izany ny fanohanana ireo sampandraharaha mpamokatra masomboly manara-penitra sady manana mari-pahalalana, maherin’ny 7 500 taona. Miisa 139 100 ny tantsaha mpamokatra mivantana tokony hisitraka ity tetikasa “Purpa” ity ao anatin’ny faritra 20 eto Madagasikara.
Tsinjovin’ny tetikasa manokana ny vehivavy, izay tokony hisitraka azy ny 30% amin’ireo maherin’ny 139 000.
Njaka A.