Miantso ny olom-pirenena hanatona ny biraom-pokontany ny FFKM ary hanamarina ny rejisitra, raha voasoratra ny anaran’ny tena sy ny ankohonana na tsia. Araka ny antso nosoniavin’ny filoham-piangonana efatra, ny 5 febroary lasa teo izany. Notsiahivin’izy ireo fa araka ny hafatry ny komity foibe faha-45 tany Fianarantsoa, ny 28-30 novambra 2023, manainga ny kristianina sy ny vahoaka handray andraikitra amin’ny fiainam-pirenena.
Manoloana ny fetr’andro omen’ny lalàna ny Ceni amin’ ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy (Rale) izay hifarana ny 15 febroary ho avy izao ary: “Mitondrà karapanondrom-pirenena avy hatrany, raha tsy ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ny anaranareo ary misorata anarana hatramin’ny 15 febroary ho avy izao”, hoy ny antso. Mety voakasik’izany na ireo efa nisoratra anarana tany aloha, na izay nifindra monina, na izay vao nahavita karapanondro. Entaniny koa ny rehetra hanara-maso ny fandrafetana izany ho fifanomezan-tanana amin’ireo tomponandraikitra.
Mitodika amin’ireo nahatsapa fa nahazo antso mba hiomana dieny izao hirotsa-kofidina eo amin’ny sehatra manandrify azy ny FFKM. Entaniny ny vahoaka handray anjara amin’ireo fifidianana hotanterahina manaraka, ka hanana fahavitrihana hanara-maso ny zotram-pifidianana sy handatsa-bato. Manainga ny rehetra koa izy ireo hitondra am-bavaka hatrany ny firenena.
R. Nd.