Fifidianana: ny 29 mey ny depiote, ny 6 novambra ny kaominaly

Namoaka ny volavolana tetiandrom-pifidianana ny Ceni, omaly, teny Alarobia. Ny 29 mey ny fifidianana solombavambahoaka ary ny 6 novambra ny ben’ny Tanàna.

“Ny 29 mey ny fifidianana solombavambahoaka, ny 6 novambra ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina kaominaly na monisipaly”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, omaly, tamin’ny fampahafantarana ny volavolana tetiandrom-pifidianana naroson-dry zareo ny governemanta. Ny 28 marsa hatramin’ny 6 avrily ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina amin’ny fifidianana depiote, ary ny 8 mey hatramin’ny 26 mey ny fampielezan-kevitra. Ny 8 jolay hatramin’ny 22 jolay ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina amin’ny fifidianana kaominaly, ary ny 16 oktobra hatramin’ny 5 novambra ny fampielezan-kevitra. 10 tapitrisa Ar ny anto-bola na fandraisana anjaran’ ny kandidà amin’ny lany amin’ ny fanatanterahana fifidianana amin’ny fifidianana depiote, raha 5 tapitrisa Ar izany teo aloha. Tsy miova kosa izany amin’ny fifidianana kaominaly.

Izay fanasarahana fifidianana roa izay no heverin’ny Ceni fa hahamora sy hampilamina ny fanatanterahana azy. Manahirana amin’ny lafiny rehetra ny mampitambatra azy na eo amin’ny lafiny teknika, na fitaovana, na olona. Fa­na­zavana teknika no nataon’ny Ceni ny amin’ny hoe: nahoana no fifidianana depiote no mandeha aloha nefa tamin’ny 10 janoary no nifarana ny fe-potom-piasan’ny ben’ny Ta­nàna? Araka ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), mitohy hatramin’ny faran’ny taona ny fe-potoam-piasan’izy ireo. Azo atao hatramin’ny faran’ny taona izany ny fifidianana amin’izany. Ny fanapahan-kevitry ny governemanta sisa andrasana?

R. Nd.

Partager sur: