Ankoatra ny fisokafana amin’izao tontolo izao, fanararaotra lehibe ho an’ny mpitondra hahafahana maneho sy mampahafantatra ny vinan’i Madagasikara amin’izao tontolo izao ity hetsika ity.
Tanterahina any Dubai, nanomboka omaly hatramin’ny 14 febroary 2024, ny fihaonana an-tampon’ny governemanta maneran-tany. Anisan’ny filoham-pirenena sy lehibena Governemanta miisa 7 voaasa manokana hanatrika ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry. Anton’ny fanasana ny haitarika sy ny fahavononany hitondra fanovana amin’ny fitantanana firenena. Tena hisongadina mandritra ity fihaonambe ity ny resaka fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra sy ny teknolojia maoderina, ho amin’ny tombontsoa sy fampandrosoana ny firenena iray.
Filoham-pirenena sy Lehibena governemanta 7 no nasain’ny filoham-pirenena Emirats Arabes-Unis, Mohamed Ben Zayed Al Nahyane, hiatrika ny fihaonana an-tampony ny governemanta maneran-tany, ary anisan’izany ny filoham-pirenena malagasy miaraka amin’i Recep Tayyip Erdoğan, filoham-pirenen’i Turquie, Narendra Modi, praiministra Indianina, Paul Kagame, filoham-pirenen’i Rwanda, William Ruto, filoham-pirenen’i Kenya, Sadyr Japarov, filoham-pirenen’i Kirghize, Dr. Mohamed Muizzu, filoham-pirenen’i Maldive, Prithvirajsing Roopun, filoham-pirenen’i Maurice ary Wavel Ramkalawan, filoham-pirenen’i Seychelles. Filoham-pirenena sy lehibena governemanta 25 no mandray anjara amin’ity fihaonambe ity ankoatra ireo fikambanana sy delegasiona maro samihafa.
Fampianarana sy ny haitao ara-kajy mirindra
Ho an’ny delegasiona malagasy tarihin’ny filoha any Dubaï, hisy ny fihaonana iraisam-pirenena hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy ny Émirats Arabes-Unis. Hanamarika izany ny fanaovan-tsonia ny “Memorendum d’entente” (fifanarahana dingana voalohany) hametrahana ny tetikasa “Digital school”. Ity tetikasa ity izay entina manatsara ny kalitaon’ny fampianarana manerana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitaovana niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra.
Lin