Kabary malagasy : hankalaza ny faha-60 taonany ny Fimpima

Hosokafana amin’ny fom­ba ofisialy ny 15 Febroary ho avy izao ny ivon’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny fi­kambanan’ ny Mpikabary malagasy maneran-tany (Fimpi­ma). Hatao etsy amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy etsy Tsimbazaza ny lanonana. Hotolorana mari-boninahitry ny kanto avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (mpiahy ny hetsika), ireo mpikabary nahafeno fe­petra. Hitohy amin’ny loabary an-dasy mandritra ny roa andro manaraka izany. “Ka­bary Mala­gasy: maro vany, maro lafy”, io ny lohahevitra fototry ny fankalazana. Tan­jona ny hampiakarana ny hasina sy ny lentan’ny kabary malagasy.
Misy lesoka ny fanatanterahana ny kabary
“Nahitana lesoka ny firoboroboroan’ny kabary noho ny fisian’ny kitoatoa eo amin’ny fanatanterahana azy. Toy ny famoronona fomba fiteny tsy misy fototra iorenany ara-tantara sy ara-pomba ary amin’ny maha teny azy”, hoy Ranjato­hery Harilala, Renala Fimpi­ma, nandritra ny tafa nataon’izy ireo tamin’ny mpanao ga­zety tetsy Analakely, omaly. Nohamafi­siny fa mampahatsiahy ny fiteny nampiasain’ny Ntaolo izy ireo ka antony ha­naovana ny laobary an-dasy. 22 ny famelabelaran-kevitra hita eny an-toerana. Toy ny tantaran’ny kabary malagasy, ny endriny, ny maha zavakanto azy, ny anjara toerany eo anivon’ny fiarahamonina… “Azo arahana mivantana amin’ny alalan’ny teknolojia ny hetsika”, hoy ny filohan’ny Fimpi­ma maneran-tany, Andriamboavonjy Hanitra.

Mino

Partager sur: