Mieritreritra ny ankamaroan’ny olona, indrindra ny tanora ankehitriny, fa fandaniam-potoana ny fanorona. Kilalaon’ny tsy manan-katao. Variana amin’ny lalao nampidirin’ny vahiny toy ny hazakazaka vitsika, ludo… izy ireo.
“Efa mitady ho faty ny kilalao fanorona eto Madagasikara satria ny mpitandro filaminana mihitsy no mandrava izany eny an-dalana eny”, hoy i Herindrainy Jean Patrick, filohan’ny Vovonana nasionalin’ny fanorona eto Madagasikara. Nilaza izy fa mila ezaka avy amin’ny fitondram-panjakana sy ny rehetra ny fanomezan-danja indray io kilalao io. “Ekena fa mandany andro be mihitsy izy io fa ahazoana zava-tsoa maro eo amin’ny fiainana ny fanaovana izany”, hoy kosa Andriamampianina Fetra na i Karana, filohan’ny Vovonam-paritra Analamanga.
Tena manan-danja ary misy zavatra fonosiny betsaka ny fanorona eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona, raha ny fikarohana nataon-dRabedaoro Eris, mpikaroka sy mpanoratra boky. Araka ny fikarohana nataony, entin’ny mpilalao iray mandro ny vato raha afaka tamin’ny vatom-panorona minam-bela. Mandeha ho azy avokoa ny zava-drehetra atao eo amin’ny fiainana avy eo. Tsy misy zavatra mandeha kosa ny fiainana raha toa ka tsy afaka izy. Manana anjara toerana eo amin’ny kolontsaina ny fanorona. Natao hitarafana ny fiainan’olombelona iray ny fanaovana azy io. Kilalaon-drazana malagasy mampiasa saina, atao eo amin’ny fafana voavakivakin’ny tsipika hametrahan’ny mpilalao andaniny sy ankilany avy vatom-panorona.
Ankoatra izay, mifandray amin’ny zavatra maro samihafa ny fanorona. Na amin’ny kabary na amin’ny fanandroana izany. Samy mampiasa saina ny hifandraisan’izy ireo mba hitondrana ny tetika hatao, hifanatrehana amin’ny mpifanandrina. Mifandray amin’ny fanandroana ihany koa izy io. “Manao fanorona ny mpanjaka rehefa alohan’ny handeha hanafika, tamin’ny andro taloha. Tsy mandeha avy hatrany izy raha vao resy eo amin’ny fanorona satria ho fatin’ny olona any”, hoy hatrany ny filohan’ny Vovonam-paritra Analamanga.
Kilalao nentim-paharazana
Raha ara-tantara, kolontsaina sy kilalao nentim-paharazana tamin’ny andron’ny faha andriana, tamin’ny 1600, izy io. Nitondra azy io teto Madagasikara ny Indonezia. Avy amin’ny fototeny hoe “toro” ny fanorona. Midika fahendrena sy manoro ireo paikady fahizay nataon’ny mpanjaka fahiny. Nivoatra ary lasa kolontsaina malagasy izany taty aoriana. Araka ny lovan-tsofina, nisy mpanjaka anankiray namoy ny fanjakany iray manontolo mihitsy noho ny fitiavany an’io lalao io. Anisan’ny kilalao malaza indrindra eto Madagasikara ary azo lalaovina amin’ny faritra rehetra izy io. Miavaka ny kilalao fanorona amin’ny kilalao sy kolontsaina hafa eto an-toerana. Anisan’izany, ny fisian’ny ady sahala eo amin’ny filalaovana azy. Eo ihany koa ny minam-bela. Manatsara ny filalaovana fanorona ny “paika”. “Mahay mitantana tokantrano sy ny fomba hitondrana ny fiainana… ny olona iray rehefa mahafehy ny filalaovana fanorona”, hoy kosa ny filohan’ny Vovonana nasionalin’ny fanorona eto Madagasikara. Nilaza izy fa ahitana karazana mpifanandrina sy fiarovan-tena ao anatin’ny fanorona. Ankoatra izay, misy anatra betsaka ihany koa ao anatiny.
Antony mahatonga ny lakam-panorona ho tsy azo ipetrahana na itsahina ihany koa izany, satria zava-masina io.
Fomba filalaovana fanorona
Misy karazany maro ny fanorona, fa be mpahalala ny fanoron-tsivy sy ny fanoron-telo. Toy izao no endriky
ny kianja ilalaovana ho an’ny fanoron-tsivy. Soritana tsipika dimy mitsivalana sy mirazotra ary tsipika sivy
mitsangana sy mirazotra ihany koa mba hanome efajoro misy efitrefitra 32. Asiana tsipika iray avy ao anatin’ny efitrefitra tsirairay, mampitohy ny zorony roa amin’ny efitrefitra. Izany hoe, tsipika mihorirana ka ampifandimbiasina ho tsipika mianjera mankany aoriana sy mankany aloha izany. Toerana ametrahana ny vato holalaovina ny fihaonan’ny tsipika. Ivo indrindra amin’ireo no atao hoe laka. Alahatra eo amin’io kianja io ny vaton’ny mpifanandrina (22 avy) amin’ny fiantombohan’ny lalao. Tsy asiana vato ny laka. Tanjona ny hanafoanana ny vato rehetra ananan’ny mpifanandrina, ka izay mbola manana vato tavela no mpandresy.
Maromaro ny kisary nokapaina tamin’ny vatolampy hita eto Antananarivo. Toy ny etsy Alasora, iray amin’ireo tranainy indrindra (teo anelanelan’ny taona 1500 sy 1600) sy eny Ambohimanga. Efa misy ny “application” fanorona ao anatin’ny finday mba hahafahan’ny rehetra mandalina ny mahakasika ny tontolon’ny fanorona sy ny filalaovana izany.
Nanatontosa : Mino