Handroso ny sehatry ny toekaren’i Madagasikara ho an’ity taona ity, taorian’ireo ezaka natao teo aloha sy ho an’ny vina napetraka manaraka. Manome vahana ho an’ny fampandrosoana ny fivoaran’ny marefo maneran-tany.
Hihatsara ny tontolo ara-toekaren’i Madagasikara mandritra ity taona ity raha ny vinavina nataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Hiroborobo ireo orinasa ara-dalàna sy vaventy eto an-toerana. Hihatsara ihany koa ny varotra any ivelany indrindra ny tontolon’ny fanondranana. Hiroborobo ny sehatry ny fizahantany. Hohatsaraina ny fotodrafitrasa momba ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany hisarihana ireo mpampiasa vola vahiny. Na izany aza, tsy azo antoka ireo rehetra ireo manoloana ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Heverina hilatsaka 5,8% ny tahan’ny vidim-piainana maneran-tany mandritra ny taona 2024, raha 6,8% izany tamin’ny taon-dasa. Tokony hidina 4% ihany koa ny vidin’ireo akora ho an’ity taona ity satria marefo ny fivoarana maneran-tany. Midangana nefa ny vidin’entana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena noho ireo ady samihafa.
Tsena ivelany
Hanohana an’i Madagasikara amin’ny adisisika hiarovana ny vidin’ny lavanila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny fandaharanasa Cadre intégré renforcé (CIR). Hanampy amin’ny fanatanterahana ny paikady hametrahana ny lavanila amin’ny toerana ny fandaharanasa. Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra tetsy Ambohidahy, omaly, ny mpandrindra ny CIR eto Madagasikara, Paulin Zambelongo. Hihaona any Abu Dhabi, Emirats Arabo Mitambatra ireo firenena mpamokatra lavanila toa an’i Madagasikara, Ouganda, Nouvelle Papouasie mandritra ny fihaonambe faha-13 ho an’ny minisitera eo anivon’ny fikambanana maneran-tany momba ny varotra (OMC) ny 26-29 febroary. Horesahina mandritra izany ireo hevitra hampivondronana ireo mpamokatra sy mpanondrana lavanila anaty rafitra iray.
Henintsoa Hani