Efa am-perinasa tanteraka ny fahefana mpanatanteraka amin’izao? Mandeha ny fidinana ifotony: fijerena ny olan’ny vahoaka, famahana olana. Miara-dalana amin’izany ny fampandrosoana mivantana; eny, na eo aza ny lafiny politika tsy maintsy atrehina: fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, fifidianana depiote. Mila fandaminana be eo anivon’ny antoko politika izany. Na izany aza, mifanindran-dalana ary mety hifanontona amin’izany ny fahataperan’ny zato andro hanaovana tombana voalohany isaky ny departemanta: vita ve ny fanamby, misy ny fiovana ho amin’ny tsaratsara kokoa… ?
Miandrandra fihatsaram-piainana ny vahoaka amin’ny asa haingana sy mivaingana. Lehibe sy voalohany amin’ izany ny maha olona, anisan’ny hoe andrin’ny fampandrosoana amin’izao fe-potoam-piasana vaovao izao. Tena hisy ny fiovana? Na fanatsarana ny fiainam-bahoaka… Tsy hita hovisavisaina sy hotanisaina ny olana ifotony. Eo, ohatra, ny tsy fandriampahalemana, ny fidangan’ny vidim-piainana tsy takatry ny fahafaha-mividy nefa lazaina fa marin-toerana itsy na iroa, ny tsy fisian’asa… Hisy vahaolana haingana sy mivaingana? Ho hita eo… Efa natao fampanantenana ny amin’ny lafiny maha olona.
Na ahoana na ahoana, ny asa ihany no mahavelona. Tsy misy tondroina dia maty; na jerena sy mijery fotsiny dia velona. Mby aiza ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra amin’ny hoe tsy misy hadino? Izay no anisan’ny hametrahana ny sekreteram-panjakana mba ho haingana ny vokatry ny asa, mivantana, tsy manavaka…. Ny mpanelanelana isan-tsehatra sy isan’ambaratonga no anisan’ny mampihisatra ny fampandrosoana? Ao anatin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanatsarana ny asam-panjakana rahateo ny fanarenana sy fanavaozana izany. Mila miara-mihetsika sy miara-miasa?
R. Nd.