Saron’ny polisy ny jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana teratany sinoa mpandraharaha tao Nosikely Morondava, ny sabotsy 10 febroary 2024 lasa teo. Nisy trangana fanafihana tao amina tokantrano iray ao Nosikely. Jiolahy telo niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana no voalaza fa niditra an-keriny tao an-tranon’io teratany sinoa io. Nahazo ny angom-baovao rehetra momba izany ny polisin’ny Fip ka nidina haingana tao amin’ity tokantrano ity. Nandositra avy hatrany ireo jiolahy raha vantany vao nahatsikaritra ny fahatongavan’ny polisy. Raikitra ny fifanenjehana manerana ny tanàna. Vokany, voatifitry ny polisy teo amin’ny feny ity jiolahy ity. Tsy afa-nihetsika intsony izy ka noraisim-potsiny. Naratra kosa ilay teratany sinoa. Nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana izy. Fantatra nandritra ny famotorana ity jiolahy tratra ity fa mpiambina tanàna tao amin’ity teratany sinoa ity ihany izy. Efa voaroaka noho ny fitondran-tena tsy mendrika nataony. Voalaza fa mbola nisy mpiray tsikombakomba aminy amin’izao raharaha fanafihana izao. Eo am-pikarohana azy ireo ny polisy ao Morondava Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.. Mitohy ny fanadihadiana momba ity fanafihana sinoa mpandraharaha ity.
J.C