Niakatra 3% ny tahan’ny mpandeha fiaramanidina nandritra ny volana desambra 2023, raha oharina tamin’ny volana novambra lasa teo. Manodidina ny 97 000 ny salanisa voaangona ka ny 51% nandray ny sidina mampifandray an’i Madagasikara amin’ireo firenena manodidina. 28% kosa nandray ny sidina anatiny raha toa ka sidina iraisam-pirenena kosa ny 21% an’ireo mpandeha, araka ny tatitry ny Aviation civile de Madagascar (ACM). Nambarany fa mahatratra hatrany amin’ny 146 000, izany hoe, 54% ireo seza nomen’ireo kaompania mampifandray ny Nosy malagasy amin’ireo firenena manodidina, nandritra io fotoana io. Manodidina ny 23% ho an’ny sidina anatiny. Ankoatra izay, niakatra ho 61% ny tahan’ny mpandeha tamin’ireo kaompania samihafa raha toa ka 60% izany nandritra ny volana desambra 2019, araka ny tatitry ny ACM hatrany. Nitombo hatrany amin’ny 7% ny mpandeha fiaramanidina nandritra ny volana desambra 2023 raha oharina, nandritra io vanim-potoana io ny taona 2022. Na izany aza, nihena hatrany amin’ny 10% ny salanisan’ireo mpandeha raha oharina ny taona 2019, hoy ny ACM
Fototra
Sehatra iray mampidi-bola ho an’ny firenena sy mampiroborobo ny fizahantany ny fitomboan’ny sidina mampifandray an’i Madagasikara amin’ireo any ivelany. Vita sonia ka hiara-hiasa ny « confédération du tourisme de Madagascar (CTM) sy ny Ravinala Airports Madagascar amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara. Nanao sonia izany ny filohan’ny filan-kevitry ny CTM, Razafimahefa Tojo, sy ny tale jeneralin’ny Ravinala Airports Madagascar, Julien Coffinier.
Henintsoa H.