« Saint Valentin » : manan-tsafidy maro ireo mpifankatia

Herinandro ho an’ny mpifankatia. Satria tsy rahampitso fotsiny fa hatramin’ny alahady dia hisy hetsika maro hanamarihina ny « Saint Valentin ». Manan-tsafidy amin’ny endriny sy ny karazany izay hankalaza izany.

Tsy hiverenantsika ny nahalasa ho fetin’ny mpifankatia ny « Saint Valentin ». Fa ny iraisana maneran-tany aloha dia natokana ho azy ireo ny andron’ny 14 feroary. Nianjera ho alarobia izany, rahampitso. Ho an’ny kristianina katolika manokana, hifanojo amin’ny « alarobian’ny lavenona », izay manamarika indrindra ny fanombohan’ny karemy, vanim-potoana lehibe ho an’ny kristianina izy ity.
Fa na andavanandro io, na andro tsy fanaovana fety, maro kosa ireo efa ela niandrasana izany, hanehoana, hanamafisana, hikolokoloana na hitadiavana ilay afom-pitiavana. Ho azy ireny indrindra ireo tolotra maro samihafa misy. Mbola ampahany anatin’ireo tolotra ara-barotra kanefa manana ny toerana rehefa « Saint Valentin », ny seho isan-karazany iarahana amin’ireo mpanakanto.
« Fitiavana mamiratra » ny etsy amin’ny Le Pavé Antani­narenina rahampitso alina, iarahana amin’i Rija Rama­nantoanina, mazava loatra. Mpanakanto mpihira ny fitiavana ary manana fampiaraham-peo maro miresaka izay lohahevitra izay izy. Seho roa amina toerana samihafa kosa no indray homanin’i D-Lain, amin’io rahampitso io. Ha­nomboka azy ny etsy amin’ny La Canopée Antanimena, izay hitohy ao amin’ny Le Taxi Be Antanimena ihany, rehefa alindalina. Fotoana hanamarihina ny fiverenany an-tsehatra ihany koa ity « Saint Valen­tin » ity, ho an’i Mirado. Manome fotoana ireo mpifankatia eny amin’ny Le Santilo Anosizato izy. Feno dia feno ny fandaharam-potoana ho an’ny Reko Band, izay manamarika ny 5 taona an-tsehatra amin’ity taona ity. Fa tsy handingana ny rahampitso ihany koa ry Fy sy ny tariny, ka manome fotoana mandritra ny seho « Hafa mihitsy », etsy amin’ny Radisson Blu, Water­front Ambodivona.
Ampahany ihany amin’ny hetsika « Fetin’ny mpifankatia » hafanain’ny mpanakanto ireo. Mbola hafa ny tolotra « cabaret » miaraka amina orikesitra mpampandihy, arahina hanimpitoloha, na koa ny alim-pandihizana ho an’ny tanora kokoa.

Zo ny Aina

Partager sur: