Hatao any Kazan Russie, ny 21 hatramin’ny 29 febroary izao ny fifaninanana iraisam-pirenena “Phygital Basketball”, taraja basikety. Malagasy mpilalao efa-dahy no hisonlotena an’i Madagasikara, ahitana an’i Rick-Ley, Marco, Bila ary i Ibrahim Aziz, izay mitondra ny anarana “Antananarivo”.
Tsara fanombohana ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny, amin’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League, (PFL)”. Nomontsanin’izy ireo tamin’ny isa mevasatra 5 no ho 0 ny KFCA Diana, tamin’ny andro voalohany notanterahina tany Mahajanga, ny alahady lasa teo. Nahatafiditra baolina telo tamin’izany i Carlos, lohalaharan’ny Fosa Jr.
Notanterahina ny 9-11 febroary lasa teo, tany Dakar Sénégal, ny fifanintsanana amin’ny ady tapakila hiatrehina ny “lalao olympika Paris 2024”, taranja taekwondo. Tsy afaka niatrika io fifanintsanana io ny ekipam-pirenena malagasy. Tsiahivina fa miisa telo mianadahy izy ireo no tokony hiatrika izany.
Nifarana ny alahady lasa teo ny fifaninanana nasionaly 2024, taranja billard, dingana voalohany. Nandresy tamin’izany Andry Mickael Mirmo. Araka ny fanazavana azo tamin’ny fikambanana Voay, izay mikarakara ny fifaninanana, hatao ny 26 febroary – 3 marsa ho avy izao ny dingana faharoa.