TARATRY ny KANTO

Mitohy ny lalan’i Ken. Taorian’ny nialany tsy ho mpikambana ao amin’ny tarika Mage 4 intsony, efa na­nambara i Ken fa hanjohy lalan-kafa amin’ny mozika. Maro ireo tsindriandaona te haheno ny karazana mozikany, ka hamoaka hira telo avy hatrany izy, «Baikon’ny fo», «Ry fanadinoana» ary «Saw lany». fantatra fa hivoaka amin’
izao ankatoky ny fetin’ny mpifankatia izao ireo hira ireo.
Antsaina sy hiraina ny sanganasan’i Odéam Rakoto, Célestin Andriamanantena, Rado, Clarisse Ratsifandrihamanana, Abel Andriarimalala. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenim-pirenena (tenin-dreny), karakarain’ny Havàtsa-Upem. Tanterahina ny alarobia 21 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny efitranon’ny kolontsaina Lycée Moderne Ampefiloha.
Hotanterahina ny 15 sy 16 Marsa ho avy izao ny fifaninanina momba ny horonantsarimihetsika ho an’ny vehivavy. Hetsika karakarain’ny Viavy Film Festival. Tanjona ny hanasongadinana ny talentan’ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny famoronana sarimihetsika. Omena lanja ihany koa ny tantara foronina fohy sy fanadihadiana ary ny sarimihetsika an-tsary. Misokatra hatramin’ny 3 Marsa ny fisoratana anarana.
Hotanterahina ny alarobia 14 febroary 2024, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny vaky boky, hiantsana ny “Lisy Mianjorio”, iarahana amin’
i Mose Njo. Ity boky ity izay naverin’ny Editions Karné natonta. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny varotra sy vetsovetso mahakasika ny boky.

Partager sur: