Andravoahangy: jiolahy maty voatifitry ny polisy

Fanafihana tsy tontosa! Lavon’ny balan’ny polisy ny jiolahy iray tetsy amin’ny tsenan’ Andravoahangy, afakomaly.

Telo lahy nikasa hanafika trano fivarotana nifanenjehan’ ny mpitandro filaminana teny Andravoahangy, afakomaly. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy sy antsy ireo olon-dratsy ireo, ny atoandron’ny alatsinainy teo. Niditra amin’ny faritry ny tsena izy telo lahy ireo ary nikendry ny iray tamin’ireo mpivarotra. Nisy nahatsikaritra anefa ny fihetsika hafahafa nasehon’izy telo lahy ireo ka nikoropaka nampandre ny mpitandro filaminana ny olona tsara sitrapo. Poa toy izay, nigadona teny an-toerana ny polisim-pire­nena avy ao anivon’ny CSP3. Nanao tongotra an-katoka avy hatrany ireo telo lahy vantany vao nahatazana ny mpitandro filaminana. Nanome baiko ireo jiolahy ireo hijanona ny polisy. Nanda ary namoaka ny fitaovam-piadiana teny aminy ireo mpandroba. Vokany, lavo nandritra ny sakoroka ny iray tamin’ ireto farany.

Nandositra anaty elakela-trano

Nanao tari-dositra, efa ni­fanenjehan’ny polisy saingy tsy hita popoka ireo roa lahy naman’io jiolahy lavo io. Raha tsiahivina, lehilahy iray naratra notifirin’ny jiolahy tao amin’ny tsenan’Andravoahangy, ny
27 janoary teo. Nandroba tao amin’ny mpamongady iray ireo olon-dratsy telo lahy tamin’ io fotoana io ka lasany ny vola ny 4 tapitrisa Ar. Nandositra ireo telo lahy ka nifampitadiavana. Nifamonjena nentina teny amin’ny hopitaly ilay tovolahy voatifitra.

Tsiferana R.

Partager sur: