Fandraharahana : hatao amin’ity taona ity ny IHM andiany voalohany

Hotanterahina ny 20 ka hatramin’ny 23 jona izao ny Tsena iraisam-pirenena momba ny asa tanana eto Madagasi­kara, “International Handicraft Fair Madagascar (IHM)” an­diany voalohany, hoy ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriamandranto Joël, omaly, teny Tsimbazaza. Hitovy amin’ny hetsika amin’ ny International Tourism Fair Madagascar (ITM) ny IHM, noho izy hampisongadina ireo mpanao asa tanana sy ny vokatra vitany. “Hampiranty ny vokatra ataony mandritra ireo fotoana ireo ny mpanao asa tanana. Hanatrika ny hetsika ihany koa ireo mpanafatra ny vokatra avy aty Madagasi­kara”, hoy hatrany ny minisitra. Hifanindran-dalana amin’ ny hetsika ITM ny IHM, izay hatao ny volana jona izao. Hisy fidirana roa samihafa hampisaraka ny hetsika mandritra ireo fotoana ireo. Mano­didina ny 105 ny mpandray anjara andrasana amin’io daty voalaza io. Fotoana izay ahafahan’ny mpanao asa tanana mampiranty sy mampahafantatra ny vokatra ataony ny IHM, indrindra ny fitadiana lalam-barotra. Anisan’ny paikady entin’ny minisitera hampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany ny hetsika IHM, hoy ny minisitra. Ao anatin’ izany ny fanofanana ireo mpanao asa tanana mba ho matihanina, ny fanohanana ny fitadiavana akora, fa indrindra ny fitadiavana lalam-barotra.

Henintsoa H.

Partager sur: