Fiantsonana amoron-dalana : ny CUA ihany no manome ny famandrihana

Nitondra fanazavana ny avy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra mo­mba ny famandriham-piantsonana fiara manokana atao eny amoron-dalana.
Mizara roa ny toeram-piantsonana voatokana ara-dalàna manerana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ao ny « Sauf Pass » dia ao ny « Abo ».
Mora fantarina ireo karazana toerana ireo noho izy voasoritra amin’ny loko mavo. Ahitana ny marika mandrara ny fiantsonana ihany koa eo afovoany. Ny kaominina mihitsy no midina manao ireny faritra ireny rehefa nahavita ny fifanarahana manokana ny mpandraharaha hampiasa ilay fiantsonana sy ny CUA.
Tsy ara-dalàna avokoa ny endrika famandrihan-toerana ankoatra ireo, araka ny voalazan’ny kaominina Antana­narivo hatrany. Voarara ary mahavoasazy ny famandrihan-toerana raha tsy nahazoana alalana avy amin’ny fiadidiana an’Antananarivo.
Mandoa hetra ara-dalàna any amin’ny kaominina ireo manao famandrihan-toerana ara-dalàna ary ny ekipa teknikan’ny kaominina no manoritra izany. Efa voarakitra any amin’ny kaominina avokoa ireo toerana nofaritana ireo ary manao fitsirihana matetika ny mpiasan’ny CUA mijery ireo soritsoritra sandoka.
Misy ireo orinasa na mpivarotra avy hatrany dia manoritsoritra ny sisin’arabe na mibahana izany amin’ny fefy vy izay tsy ara-dalàna velively.

Tatiana A

Partager sur: