Fitsaboana Mercy Ships : natsahatra aloha ny fisoratana anarana

Natsahatra aloha ny fandraisana ny anaran’ ny olona te hisitraka ny fandidiana ao amin’ny sambo Mercy Ships, any Toamasina, 12 andro taorian’ny nahatongavany. Efa aman-jatony maro isan’andro ny olona mivezivezy eny amin’ny hopitaly manara-penitra, raha ny zava-misy. Mihevitra ny hisoratra anarana ahafahana misitraka fitsaboana avokoa ireo olona ireo. Hatra­min’izao, mbola tsy fantatra ihany koa ny fotoana hanombohan’ny fitsaboana ao an-toerana. Mbola miankina amin’ny fampitaovana sy ny fotodrafitrasa handraisana ny marary kosa ny antony mbola tsy hanombohan’ny asa, raha ny fanazavan’ny ben’ny Tanà­na ao an-toerana. Hisy kosa ny filazana ofisialy mahakasika izany amin’ny herinandro, raha ny antso an-tariby nifampiresahanay tamin’ny talem-paritry ny fahasalamam-ba­hoaka. Ankoatra izay, efa vonona avokoa ny fitaovam-pifamoivoizana entin’ny mpandraharaha manatanteraka ny asany ao amin’ ity sambo lehibe ity, raha ny zava-misy.
Fikambanana iraisam-pirenena nanomboka tamin’ny taona 1978 teto Afrika ny Mercy Ships. Nitsabo olona maro nandritra ny 10 volana teto Madagasikara izy, tamin’ny taona 2015. Maro ny tombontsoa azo amin’ny fandalovan’ity sambo lehibe ity. An­koatra ny fitsaboana sy ny fandidiana ireo karazana aretina isan-karazany. Eo koa ny fanavaozana ny fotodrafitrasa, ny fihaonana ara-kolontsaina, ara-panatanjahantena amin’ireo vahiny, sy ny vahoakan’i Toamasina.

Sajo

Partager sur: