Hiavaka tsy tahaka ny nisy teo aloha! 21 febroary, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny » (natao dikan-teny malalaka). Hanatanteraka « Antsa tononkira », ao amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha (Efitranon’ny kolontsaina) ny Fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy, Havàtsa-Upem. Hovelomin-dry zareo an-tsehatra ireo tononkalo nosoratan’ny mpikambana Havàtsa-Upem. Hanana endrika miavaka io « Antsa tononkira » hotanterahina ny alarobia 21 febroary io satria sady hisy ny antsa tononkalo no hohiraina ireny sanganasa ireny.
Ankoatra ny tononkalo, maro amin’ireny sanganasana mpanoratra mpikamban’ny Havàtsa-Upem ireny no nasiana feony ka tonga hira. Tao ireo nohirain’ny tompony fa tsy vitsy ireo nohirain’olon-kafa. Tafiditra ao anatin’ny « Antsa tononkira », ohatra, ny sanganasan’i Dox, Célestin Andriamanantena, Rado, Clarisse Ratsifandrihamanana, Abel Andriarimalala, sns. Marihina fa anisan’ny fikambanana ivondronan’ireo andrarezin’ny soratra ny Havàtsa-Upem.
… Anisan’ny mamelona ny tenim-pirenena iray ny fampiasana azy eo amin’ny fiainana andavanandro sy any amin’ny sehatra rehetra. Tsy io anefa ny zava-misy ho an’i Madagasikara, satria, fatra-panindraindra tenim-bahiny ny taranaka Malagasy miaina ankehitriny. Mety ho lasa fady aza, angamba, ny hiteny amin’ny tenin-drazana atsy ho atsy !
HaRy Razafindrakoto