Kolektifa an’ny Malagasy : « Mitady vahaolana izahay »

Nampahafantarina omaly, teny amin’ny Hotel Louvre Antaninarenina, ny fijoroan’ny Kolektifa an’ny Malagasy. Nan­dritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety no nampahafantarana izany. Araka ny nambaran’ny mpikambana eo anivon’ity vondrona ity, ny “Collectifs des Candidats” no nivadika ho Kolektifa an’ny Malagasy. Tsy an’ireo kandidà nilatsa-kofidina ho filoham-pirenena intsony izany fa natao ho an’ny Malagasy rehetra vonona handray anjara amin’ny fiainam-pirenena. Tanjon’ny vondrona ny hanatanterahina fifidianana eken’ny rehetra ahatongavana amin’ny fanjakana tan-dalàna, araka ny nambaran’izy ireo ihany.
“Mitohy ny tolona”, hoy ny Kolektifa an’ny Malagasy. Antony maro no nahatonga azy ireo hanohy izany sy hijoro indray. Anisany ny tsy fahavononan’ny mpitondra amin’ny fifanakalozan-kevitra de­mok­ratika hametrahana fitoniana na dia misy fanovana ny lalàna mahakasika fifidianana nataon’ny mpitondra aza. Eo ihany koa ny fitotongan’ny farim-piainan’ny Malagasy noho ny antony maro. Ary farany ny fanapotehina ny orinasam-panjakana maro sy ny Malagasy mpandraharaha.
“Mitady vahaolana any amin’ny tombontsoa iombonana izahay fa tsy mitarika ny vahoaka any amin’ny zavatra mety hanimba firenena”, hoy ny Kolektifa an’ny Malagasy. Tao anatin’izany ary no niantson’izy ireo ny ankolafin-kery rehetra mitovy tanjona aminy, indrindra ny vahoaka Malagasy, hijoro sy hiray hina.

Lin

Partager sur: