Mifamono, mifameno…

 

Hita sy tsapa fa mirongatra ny tsy fandriampahalemana amin’izao. Araka ny nambaran’ny filohan’ny Anteni­mierampirenena tamin’ny famaranana ny fivoriana tsy ara-potoana farany teo. Mila vahaolana mazava, haingana, mahomby… Toy izany koa ny vidim-piainana tsy mitsaha-miakatra, tsy tena voafehy. Ny fidangan’ny vidim-piainana no mampirongatra ny tsy fandriampahalemana? Ny fahantrana, ohatra, no anisan’ny mampitombo sy mampihombo ny asan-jiolahy… Na ny tsy fandriampahalemana koa no mampiakatra ny vidim-piainana? Mifamono izany, mifameno.
Saika atao fialana sy zary fanamarinan-tena mandrakariva ny hoe ny fahasahiranana no manosika ny sasany hanao asa ratsy noho ny fahasarotam-piainana, tsy fisian’ny asa… Misy koa ny malain-kisahirana fotsiny izao? Te hanana haingana sy amin’ny fomba mora, tsy miraharaha izay lalàna sy fanjakana, tsy mijery lavitra amin’izay atao sy ny vokatr’izany, alaim-panahy noho ny fisian’ny mpanankarena tampoka… Izay tsy fandriampahalemana izay koa no mampirongatra ny fidangan’ny vidim-piainana: mahantra ny olona fa tsy afa-mamokatra, tsy misy na lafo ny vokatra…
Mifamono sy mifameno ny tsy fandriampahalemana sy ny vidim-piainana amin’izany rehetra izany? Mila vahaolana miaraka sy mifameno. Hisy ary hanjaka hatrany, ohatra, ny tsy fandriampahalemana isan-karazany, raha mbola mahantra ny vahoaka: tsy kely lalana ny ratsy. Tsy vitan’izany, mahantra hatrany ny vahoaka raha mbola manjaka ny olon-dratsy. Amin’izao hoe anisan’ny andry amin’ny fampandrosoana amin’izao fe-potoam-piasana vaovao izao ny maha olona, ho voavaha ve izay olana amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fidangan’ny vidim-piainana izay? Mila vokatra haingana sy mivaingana matoa tafakatra an-dapa ny resaka…

R. Nd.

Partager sur: