Namearison Robert : “Tokony ho amin’ny aogositra ny fifidianana kaominaly”

Manoloana ny tetiandro navoakan’ny Ceni, nitondra ny heviny ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert. “Tokony ho amin’ny aogositra ny fifidianana kaominaly”, hoy izy.

«Ny mampanahy ke­ly : nahoana no volana novambra ny fifidianana kaominaly?» Io ny fanontanian’ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabea­zana olom-pirenena, i Namea­rison Robert, manoloana ny volavolana tetiandrom-pifidianana natolotry ny Ceni ny go­vernemanta. Ara-dalàna ny fifidianana depiote volana mey, satria tapitra volana jolay ny fe-potoam-piasana. Any amin’ny fiandohan’ny jolay no mivoaka ny voka-pifidianana. Fa ny fifidianana kaominaly izay lasa lavitra be any amin’ny volana novambra. Nefa misy kaominina efa ao anatin’ny orana amin’izany. Ho sahirana ny olona hamonjy bi­raom-pifidianana amin’izany. Tokony hatao amin’ny volana aogositra izany, fa lavitra loatra ny volana novambra nefa efa tapitra ny fe-potaom-piasan’ireo ben’ny Tanàna.
Tsy tokony hisy olana, ohatra, ny vola hanatanterahana fifidianana. Efa nankatoavina tamin’ny taon-dasa ny tetibola ho amin’izany. Raha misy ny fanitsiana, amin’ny fivoriana ara-potoana voalohany dia efa hatao. Raha volana novambra ny fididianana ben’ny Tanàna, desambra na janoary izy mandray ny asany : tonga dia vanim-potoan’ny rivodoza izany, olana nefa vao mandray sy mianatra asa izy ireo.
Amin’ny ankapobeny, man­deha tsimoramora ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale): tsy ahitana firohotana be na hoe mangina be, fa mandeha moramora arakaraka ny faritra. Ny olana, firaisamonina sivily vitsivitsy no mihetsika amin’ny fanentanana, ary ny mpanao politika vitsivitsy vao manomboka mihetsika amin’izao.

R. Nd.

Partager sur: