“Ho anay, efa nisafidy ny eo anivon’ny fitondram-panjakana fa mahazo manohy ny asany ny ben’ny Tanàna amin’izao fotoana izao. Anjaran-dry zareo ny misafidy izay fifidianana hatao mialoha”, hoy ny mpiandraikitry ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat, momba ny fiatrehana fifidianana. Iny navoakan’ny Ceni iny ny tolokeviny ho an’ny governemanta fa ny fifidianana depiote no mandeha alohan’ny ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Efa nilaza ny tolo-keviny ny ONG Tolotsoa fa tsara raha sarahina ireo fifidianana roa ireo. Samy hafa ny fitsarana hitsara ny voka-pifidianana: ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no hitsarana ny fifidianana depiote, ary ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana no hitsarana ny fifidianana kaominaly. Hampilamina ny fampitana an’ireo antontan-taratasy nokirakiraina tamin’ny biraom-pifidianana izany. Tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika teo aza, efa nahitana zavatra maromaro azo ahitsy. Eo, ohatra, ny lafiny fiofanana amin’ireo ho mpikamban’ny birao fandatsaham-bato. Tsara hamafisina izay amin’izao fifidianana manaraka izao, indrindra noho ny lalàna momba ny fifidianana ben’ny Tanàna izay vao nasiam-panavaozana. Tsara hazavaina amin’ny olona izay fiovana amin’ny lalàna momba ny fifidianana ben’ny Tanàna izay: inona no tsy itoviany amin’ny teo aloha?
R. Nd.