Rajoelina Andry: hihamafy ny fiaraha-miasa amin’ny firenena Arabo Mitambatra

Firenena anisan’ny fakan-tahaka ny firenena Emirats Arabe Unis, indrindra eo amin’ny lafiny fandrosoana. « Mpiara-miasa manana fahaiza-manao, tsara kalitao sy manana traikefa no miaraka amin’i Madagasikara ho amin’ny fandrosoana haingana sy maharitra », hoy ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry.

Omaly no nandray fitenenana, nanoloana ny mpandray anjara amin’ny fihaonamben’ny governemanta maneran-tany ny filoham-pirenena malagasy, Ra­joelina Andry. Ankoatra ny fitaterana ny zava-bitan’ny fitondram-panjakana notarihiny. Teo koa no niarahabana sy nisaoran’ny Filoham-pirenena malagasy ny filoham-pirenena Emirats Arabes Unis, Mohamed Ben Zayed Al Nahyane, noho ny fanasana sy ny fahombiazany eo amin’ny fitondrana ity firenena ity.

Naroson’ny Filoham-pirenena nanoloana ny mpandray anjara amin’ity fihaonambe ity koa ny vinan’asan’i Madaga­sikara. Anisan’izany ny fametrahana drafitrasam-panofanana mety amin’ny tanora sy mifanaraka amin’ny filàn’ny tsenan’ny asa. Tanjona ao anatin’ity drafitrasa ity ny hampiakarana ny fahaiza-manaon’ny tanora sy hampihenana ny tahan’ny tsy fananana asa. Eo ihany koa ny tetikasa « Digital School » sy ny «Coders Initiative». Teti­kasa eo amin’ny sehatry ny haitao ara-kajy mirindra, iarahana miasa amin’ny firenena Emirats Arabes Unis. Tanora maherin’ny iray tapitrisa no hahazo fiofanana mahakasika ny teknolojia vaovao, amin’ny alalan’ireo tetikasa ireo. Tanjon’i Madagasikara ihany koa ny hiverenany ho sompitry ny vary, aty amin’ny ranomasimbe Indianina, raha ny nambaran’ny Filoham-pirenena malagasy hatrany, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Efa misy ny asa sy ezaka atao hanatrarana izany.

Mivelatra amin’ny sehatra maro

Nisy ny fihaonana tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahinin’ity firenena nandray ny fihaonana ity, Sheikh Shakh­boot bin Nahyan, sy ny filoha Rajoelina Andry, ny 12 febroary 2024. Ankoatra ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Noresahina ihany koa ny mahakasika ny sehatry ny fambolena, ny varotra, ny fizahantany ary ny fitaterana.

Lin

Partager sur: