“Hafa mihitsy”, araka ny hirany ity tarika iray ity… Miezaka tsikelikely amin’ny herin’ny tenany, mitondra ny anjara birikiny ho an’ny fiarahamonina ary manana fijery lavitra… hozarainy mandritra ny “Reko Tour 2024”.
5 taona izay… 5 taona nizarana ny mozikany ny Reko. 5 taona nametrahany ny tanjona ka nahitany ny lalan-kombana amin’izao fotoana izao. Tsy havela handalo fa homarihina, ary efa nanomboka tamin’ilay seho tamin’ny volana desambra teo, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena izany. “Ny vaovao lehibe hozarainay, dia ny “Reko Tour 2024”. Hitety toerana maro eto Madagasikara ny tarika ary hisy fivoahana any ivelany koa. Ho voavaly izany ireo fanontaniana apetraky ny mpakafy matetika hoe: Rahoviana vao ho tonga aty aminay e?”, hoy ny nambaran’i Mendrika, mpikarakara ny tarika.
Efa mipetrapetraka ny fandaharam-potoan’ny Reko, amin’ity taona 2024 ity. Ny marsa ho an’Antsirabe sy Toamasina. Avrily any Foulpointe, Sainte Marie ary Antsahamanitra. Volana mey sy jona ilay fihodinana any Eoropa, ka i Frantsa sy Alemana aloha no holalovan’ny tarika amin’ity. Ivon’ny fankalazana ihany koa ny volana jona, eto Antananarivo, avy eo hitohy any Toamasina, Moramanga ary Ambatondrazaka. Anjaran’i Fianarantsoa sy Toliara ny volana jolay, Antsiranana sy Mahajanga, ny volana aogositra, Imerintsiatosika, Arivonimamo, Miarinarivo, Analavory, Tsiroanimandidy, ny volana septambra. Manakara, Vagaindrano ary Fort-Dauphin, ny volana novambra. Hotontosaina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina kosa ny famaranana ny fankalazana.
“Mety misy ny fiovana eny an-dalana eny. Izay tsy horaisin’ny mpikarakra anefa dia tsy maintsy hotanterahin’ny Reko. Fotoana hizaranay ny rakikira vaovao koa mantsy io”, hoy ny nambaran’i Zazah.
“Misy tetikasa iray izay ao am-ponay, hiara-dalana amin’ity fihodinana ity. Ny “Reko Book”, izay entina hanangonana ireo boky ho an’ny ankizy tsy miasa intsony any amin’ny tsirairay, mba homena ireo ankizy mila izany any amin’ny tontolo ambanivohitra. Izay tanàn-dehibe lalovanay dia hanangonanay, ary ny tanàna ambanivohitra no hanoloranay azy. Anisan’ny tanjon’ny Reko ny ahita an’i Madagasikara ho tsara kokoa. Mbola mila fanabeazana be anefa izany, ka hatomboka amin’ireo ankizy. Tsy izahay akory no hanova an’i Madagasikara fa kosa hitondra ny anjara biriky mifanandrify”, hoy kosa i Fy, mpamoron-kira fototra sy mpihiran’ny tarika Reko.
Ny fotoana voalohany hanombohana ny 2024: zoma 23 febroary, ao amin’ny salle de l’horloge, Garan’i Soarano. Ho hita ao avokoa ireo rakikira nivoaka sy ny vokatra Reko rehetra.
Zo ny Aina