Ripo andiany fahadimy : misolo tena antsika Rabearivelo Dina

Nisokatra nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 18 febroary 2024, ny “Rencontres internationales des peintures de Ouagadougou (Ripo) andiany fahadimy. Hetsika iraisam-pirenena eo amin’ny hosodoko, karakarain’ny Associa­tion pour la promotion des arts plastiques (APAP). Mpahay kanto miangaly ny hosodoko miisa 40 avy amin’ny lafivalon’ny tany no mandray anjara amin’ity hetsika lehibe ity ary manana solontena amin’izany isika Malagasy, amin’ny alalan-dRabearivelo Dina, Malagasy mpiangaly hosodoko. « Trait d’union » no lohahevitry ny hetsika amin’ity andiany ity, ary miompana amin’izany ny rantin’ny mpandray anjara.
“Tsy misy fetra ny haikanto”, hoy Rabearivelo Dina, Malagasy mpiangaly hosodoko. Mampiavaka ity mpahay kanto ity ny fampiasany ny lahatsoratra an-gazety anaty haikantony, hanehoany ny mampiavaka azy eo amin’ireo mpiangaly hosodoko, maro samihafa. Ny taona 2007 izy no nanomboka tafiditra teo amin’io sehatra io. Izy no anisan’ny nametraka ny rohy mifameno eo amin’ny soratra sy ny sary.
Izany rehetra izany no entin-dRabearivelo Dina, misolotena antsika Malagasy ao anatin’ny RIPO andiany fahadimy, any Ouagadougou, Burkina Faso.

Lin

Partager sur: