Tafika an-dranomasina : hasongadina ny miralenta

Mandalo eto Madagasikara ny tonia mpanatanteraky ny Tafika an-dranomasina amerikanina miasa any Eoropa sy aty Afrika, Juliet Beyler. Hihaona sy hidinika amin’ireo Malagasy tomponandraikitra voakasiky ny filaminana an-dranomasina ny tenany. Hanehoana ny fifandraisana an-dranomasina matanjaka sy maharitra eo amin’i Etazonia sy i Madagasikara. Hanasongadina indrindra ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fiarovana an-dranomasina.
Manome sehatra ny miralenta sy ny fampandraisana anjara feno ny vehivavy amin’ny filaminana an-dranomasina ireo mpandray anjara eto Madagasikara, Mozambika, Seychelles, Somalie ary Ouganda. Natao ny fiaraha-midinika mialohan’ny hanatanterahana ny fanazaran-tena isam-paritra lehibe tarihin’i Etazonia Cutlass Express.
Nanasongadina ny maha zava-dehibe ny fampandraisana anjara ny vehivavy amin’ny sehatra rehetra momba ny filaminana sy fandriampahalemana ny atrikasa, hoy ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo.

Tatiana A

Partager sur: