« Velapiainana » iarahana amin’ny Faribolana Sandratra izay mandia ny faha-35 taonany. Hetsika tanterahina ny 21 febroary izao, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy (Efitrano Dox). Antsa tononkalo hiarahana amin’i Maneho sy Ratsifa. Hiompanan’ny lohahevitra amin’izany ny « Fitia ambaratelo », hitondra any amin’ny fiainana soratra, fitiavana iainana.
Fanokafana ny « Loabary an-dasy », iarahana amin’ny Fikambanan’ny mpikabary Malagasy, rahampitso, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina, ao amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy eny Tsimbazaza. Anisan’ny lohahevitra lehibe hodinihina amin’izany ny « Kabary malagasy : maro vany, maro lafy ». Marihina fa maharitra 3 andro ity hetsika iarahana amin’ny Fi.Mpi.Ma ity.
Mitohy ny fampirantiana Ratsimandrava. Mbola manana andro maromaro ireo liana amin’izany, etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy. Karazan-tsary sy soratra maro sy fitaovana mirakitra ny tantaran’ny kolonely Ratsimandrava manokana, izay lasa tantaram-pirenena no haranty ao. Vavolombelon’ny tantara izay hirariana hiampita amin’ny tanaraka.
Hanomboka anio hatramin’ny 17 febroary 2024, eny amin’ny Aft Andavamamba, ny hetsika “L’Amour en mots”, ao anatin’ny Festival des livres romantiques. Hetsika maro no ho hita mandritra izany. Anisany ny atrikasa samihafa, ny fampirantiana, ny fifaninanana, ny valandresaka arahina ady hevitra ary hatsikana sy dihy.