Tsy mbola ofisialy ny filazana fa nisy olona 11 maty ary 25 hafa tsy hita popoka vokatry ny fisian’ny ranotrambo tao amin’ny distrikan’i Benenitra ny alatsinainy lasa teo, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC.
Vokatry ny rotsakorana niseho teto Antananarivo, ny 6 ka hatramin’ny 11 febroary ary ny 11 febroary lasa teo, ho an’ny tapany avaratry ny Nosy, nisy ny aina nafoy roa teto Antananarivo anatin’ny boriborintany I, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC, omaly hariva. Mahatratra 2 231 ny olona traboina avy amin’ny tokantrano 697. Misy olona 17 voatery nafindra toerana vonjimaika koa eny amin’ny kaominina Ivato. Teny Ambohidratrimo, 554 ny trano dibo-drano ary sivy no rava tanteraka taorian’ny orambe nisesy. Analamanga sy Analanjirofo ny faritra nitondra faisana vokatry ny rotsakorana be farany teo.
Noho ny orana nikija tao amin’ny faritra Analanjirofo, ny alatsinainy alina lasa teo, tapaka ny tetezana ao Ampasimpotsy, lalam-pirenena faha-5, mampitohy an’i Fenoarivo Atsinanana sy Toamasina, omaly. Vao maraina, tonga teo an-toerana ny fitaovana sy ny teknisianina avy amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy hamerina vonjimaika ny fotodrafitrasa ahazoan’ny olona sy ny fiara mifamezivezy. Omaly tolakandro ihany dia afaka nampiasaina ny lalana ary hametrahana tetezam-by tsy ho ela eo, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja. Araka ny tatitra vonjimaika avy any Fenoarivo Atsinanana, tsy nisy maty na naratra aloha hatramin’ny omaly.
Ao amin’ny fokontany Andranofeno: 82 ny tokantrano traboina, ahitana olona 318. Ao amin’ny fokontany Amparatanàna: 140 ny tokantrano traboina, ahitana olona 431, ao amin’ny fokontany Ampasimpotsy: 382 ny tokantrano traboina misy olona 1 094. Ho an’ny fokontany Sahavola: 79 ny tokantrano traboina manana olona 305. Iray ny trano rava ao amin’ny fokontany Amparatanàna. Ho an’ny any Atsimo Andrefana kosa, lasa nidina ifotony any amin’ny distrikan’i Benenitra ireo tomponandraikitra nanamarina ny zava-misy.
Vonjy