Ambohijanaka : mpamaky trano niharan’ny fitsaram-bahoaka

Voasambotry ny fokonolona ny lehilahy 18 taona mpamaky trano tao Amboniakon­dro, kaominina Ambohijanaka, afakomaly. Niditra antsokosoko tao amin’ny tokantrano iray teny an-toerana io tontakely io ka nibata ny volany sy izay ni­fanandrify taminy. Nitsai­tsaika nivoaka moramora izy nitondra ny entana halatra. Tsika­ritry ny manodidina anefa io mpangalatra io. Nifanenjehan’ ny fokonolona izy ka voasambotra. Nidaroka vokatry ny hatezerana ny mpanenjika sasantsasany. Notazomin’ny andrimasom-pokonolona ity mpamaky trano ity ka natolotra ny zandary. Efa namaky trano tao Antanetibe, fokontany Ambohimiadana, Kao­mi­nina Bongatsara koa izy, araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana azy. Ankaotra io, mpamaky trano iray hafa koa niharan’ny fitsaram-bahoaka tetsy Antsaha­be, boriboritany faharoa, omaly. Nikiry handositra io tontakely io saingy nifanenjehan’ny fokonolona ka tratra. Natolotra ny polisy izy taorian’izay.

Tsiferana R.

Partager sur: