Ambohitrimanjaka ; lehilahy hita faty tapa-doha

Tsy nisy loha intsony ilay lehilahy hita faty tetsy Ambohitrimanjaka, omaly. Novonoina ary natsipy tao anaty rano izy.

Lehilahy iray hita faty natsingevan’ny rano tetsy Ikopa tsy lavitra ny tetezana Ambohitrimanjaka, oma­ly maraina. “Notapahan’olona nesorina hatramin’ny fotony mihitsy ny lohan’io olona io”, hoy ny fanazavan’ny Koa­madin’ny sampana mpamonjy voina. Mpanarato nanao ny asa mahazatra azy isan’andro no nahatsikaritra ny fisian’io razana io tao anaty rano. Niantso ny manodidina avy hatrany izy sy ireo tomponandraikitra eo anivon’ny fokontany. Naharay fampahafantarana raha teo ny mpamonjy voina ka tonga nisintona io fatin’olona io tao anaty rano. Tsy nisy nanampo na inona na inona ireo nanatri-maso. Vatan’olona efa tsy nisy loha intsony io hita faty io. Nitafy ara-dalàna ilay lehilahy ary mbola teny an-kodiny ny kirarony. “Novonoina vao haingana io lehilahy io izao hita faty izao”, hoy ny fanamafisan’ny mpamonjy voina. Niezaka namantatra azy ny manodidina saingy tsy nahalala io olona hita faty io.

Tsy hita ny lohany…
Niezaka nikaroka ny lohan’io olona io ireo ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona nanatri-maso saingy tsy nahita. Tsy nahazoana angom-baovao hatramin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra ny tena mombamomba marina an’io olona hita faty io. Efa eny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly HJRA ny razana. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ity tranga ity ny polisy misahana ny fikarohana heloka bevava. Marihina, nirongatra tato ho ato ny tsy fandriam-pahalemana teny amin’ny manamorona ny “digue” mihazo an’Andranomena sy Am­bohitrimanjaka iny.

Tsiferana R.

Partager sur: