« Bob Marley : One love » Nivoaka ofisialy omaly

Naseho voalohany, omaly, tao amin’ny le Grand Rex, tao Frantsa, ny sarimihetsika « Bob Marley : One love ». Horo­nantsary mampahafantatra ny momba an’i Bob Marley, izay anisan’ny kintana sy andrarezin’ny gadona Reggea, izy ity. Niatrika ny famoahana izany sarimihetsika izany i Ziggy Marley, zanak’i Bob Marley. Araka ny nambaran’i Reinaldo Marcus Green, nanatontosa ny horonantsary, anisan’ireo mendrika hanaovana asa sahala amin’izao i Bob Marley noho ireo zava-tsoa maro vitany, na dia ny teo amin’ny sehatry ny kanto fotsiny aza.
42 taona aty aorian’ny nahafatesan’ity mpanakanto nivoy ny gadona Reggea ity, nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny sarimihetsika maneho ny tantarany. Reinaldo Marcus Green, no mpanatontosa ary Kingsley Ben Adir no nandray ny toeran’i Bob Marley tao anatin’ny horonantsary. Maharitra 104 minitra ity « Bob Marley : One love » ity. Raha ny fanehoan-kevitr’ireo mpanao gazety sy mpamakafaka sarimihetsika, “tsotra loatra raha ho an’ny tantaram-piainan’i Bob Marley”. Nasian’izy ireo resaka ihany koa ny amin’ny mpilalao nandray ny anjara toeran’i Bob Marley.

Lin

Partager sur: