“Misy ny kajy politika ataon’ny fitondrana. Maninona no amin’ny 6 novambra vao hatao ny fifidianana ben’ny Tanàna? Nefa efa tapitra tamin’ny janoary teo ny fe-potoam-piasana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote Tim voafidy tao Antananarivo VI, Andriamampandry Todisoa, momba ny volavolana tetiandrom-pifidianana. Hita hoe manitsaka lalàna ny fitondrana. Eo koa ny hoe : ho azon’ny maro an’isa ny ben’ny Tanàna, indrindra Antananarivo Renivohitra. Dia arirarira ny fifidianana amin’ izao… Na rahoviana ny fifidianana depiote, vonona ho amin’ izany izy hatramin’izay. “Ravao any io Antenimierampirenena io rehefa tsy misy ilàn’ny fitondrana azy. Efa tamin’ny herintaona izahay no niteny an’izay. Ataovy haingana ny fifidianana fa efa vonona amin’izany izahay”, hoy izy.
Mahalala izay olona miaro azy ny vahoaka hatramin’izay, mahalala izay hoe: iza no mitondra ny feony, mba mijery azy hatramin’izay ka hatramin’ izao? Iza koa no mampijaly vahoaka, manao ampihimamba ny firenena, iza no tsy manaja lalàna eto amin’ny firenena?
R. Nd.