Araka ny And.143 amin’ny Lalàmpanorenana, ny famoronana sy ny famaritana ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia tsy maintsy mifototra amin’ny fitoviana eo amin’ny toe-tany, toekarena, sosialy ary kolontsaina. “Ny distrikan’i Marolambo dia manana fifamatorana lalina amin’i Toamasina, renivohitry ny faritra Atsinanana, eo amin’ny lafiny voalaza etsy ambony ireo. Noho izany, mangataka hipetraka ao anatin’ny faritra Atsinanana izahay.” Io ny nambaran’ny filohan’ny Fikambanan’ ny teraka Marolambo ao Toamasina, i Valison Régis, afakomaly, manoloana ny filazan’ny filohan’ny Repoblika tany Moramanga, ny 9 febroary, fa hozaraina roa ny faritra Alaotra Mangoro. Tsy ny faritra no areti-mikiky an’i Marolambo, fa ny faharatsian-dalana. Miankindoha tanteraka amin’ny faritra Atsinanana izy, tsy manana fifandraisana amin’ny varotra na kolontsaina, indrindra amin’ ny toekarena, amin’ireo distrika hafa handrafitra io faritra vaovao io. Noho izany, ny fijanonana amin’ny faritra Atsinanana no hitondra fampandrosoana haingana ho azy.
R. Nd.