Lehibe, voalohany, maika amin’ny asa fampandrosoana ny fiainam-bahoaka amin’izao? Ny maha olona hoe anisan’ny loharanon-karena amin’ny fampandrosoana amin’izao fe-potoam-piasana vaovao izao. Izay ilay hoe sosialim-bahoaka. Tsy hisy hadino? Ho hita eo… Fa manao ahoana koa ny vahoaka ifotony amin’izay fihetsehana sy fisitrahana fampandrosoana izay? Vonona hiova sy hiasa ary hazoto, hanana fiaretana sy faharetana… Sao manantena sy miandry vonona fotsiny, ohatra, sanatria? Na tsy sahy hanova famindra sy fomba fiaina… Miainga amin’ny tena aloha ny fandrosoana.
Rehefa mahantra ve, ohatra, dia tsy maintsy misaritaka, maloto, kamo, tsy mijery lavitra, mikombona amin’ny tena ihany… ? Izay no ilàna ny fanajariana vahoaka na ny maha olona: ny vahoaka no asaina sy iasana, trandrahina… Ao anatin’izany, ohatra, ny toe-tsaina mamantam-bonona, tsy miraharaha na tsy mikojakoja izay tsy nialan’ny volan’ny tena na tsy nisasarana… Mila ifamarafarana sy ifampitaizana izany, sao ady no farany. Fantatra izao fa tsy mandavantaona na tsy mahavita taona izay mety ho fanampiana enti-miainga, tsy hahahenika ny rehetra, tsy hahafa-po rahoviana…
Na ahoana na ahoana, ny asa ihany no mahavelona sy mampandroso. “Izay tsy miasa, aoka izy tsy hihinana”, hoy ny apostoly Paoly izay. Mila miasa izay te ho velona sy handroso. Tsy ny tany ihany no anaovana fanajariana amin’izany, fa ny olona sy ny maha olona indrindra koa: iza no inona, iza no manao inona? Mila olona vonon-kisetra ny mafy izany, mino sy manantena fa hioty vokatra amin’ny atao fa tsy mitsambi-mikimpy na mitsapatsapa, miaritra sy maharitra… Mba tsy hisy ny fampandriana adrisa, fa ho moramora sy vetivety izay atao. Tena misy ny fanajariana vahoaka amin’izany?
R. Nd.