Nanao izay ho afany ny Tafika malagasy, nanoloana ny fiakaran’ny rano vokatry ny rotsakorana tafahoatra tao an-tampon-tanàna Fenoarivo-Atsinanana. Nanetsika avy hatrany ny miaramila hisafo ireo trano dibo-drano ny Kaomandin’ny ZDS Pangalana, Jly Rakotoariso Andriantsoavina Henri Jocelyn. Nalaina tao amin’ny trano tamin’ny alalan’ny fampiasana vedety sy lakana ireo lasibatra. Nobabena ireo zaza amam-behivavy voakasik’io tranga io. Samy nanao io asa vonjy voina io avokoa hatramin’ny “2ème Compagnie d’Intervention Spécialisée” na 2°CINTS sy ny FDS ao an-toerana. Napetraka amin’ny toerana voatokana avokoa ireo traboina. Voatery natsahatra ny fianaran’ireo mpianatra ao an-toerena noho ny fiakaran’ny rano diso tafahoatra.
Tsiferana R.