Fiatrehana fifidianana : manolo-kevitra amin’izay mila jerena maika ny Hetsika Rohy

Heverina fa ilaina maika ny fiverenana fijerena ny lalàna fehizoro lah. 2018-008 mifanaraka amin’ny fifidianana ankapobeny sy ny fitsapan-kevi-ba­ho­aka, singanina amin’izany ireo mifandraika amin’ny fepetran’ny fangaraharan’ny fandaniana amin’ny fifidianana, araka ny fanambaran’ny He­tsika Ro­hy, misy fikambanana 78 nanao sonia, nampitainy tamin’ny tranonkalam-pifandraisana, omaly.
Eo ny fanalalahana ny toerana iombonana amin’ny ala­lan’ny fanafoanana ny lalàna lah. 60-082, ny 13 aogositra 1960, mifandraika amin’ny famoriana olona sy fanaovana hetsika izay miova amin’ny didy hitsivolana n°62-017, ny 14 aogositra 1962. Toy izany ny famoahana ny tetiandro amin’ ny fifidianana ny lehi­ben’ny faritra, fa fepetra tsy maharitra ny fanendrena governora.
Ankoatra izany, eo ny fanalalahana ny fahafahana mampiasa ny haino aman-jerim-panjakana; laharam-pahamehana ny fametrahana ny lalàna ny fa­ha­fahana misitraka ny vaovao ho an’ny rehetra ary ny fiarovana ireo mpiaro ny zon’olombelona sy mpisintona lakolosy; ny fampiharana ireo sosokevitra avy amin’ireo fitsirihana sy fa­na­raha-mason’ny firaisamonina sivily sy antoko politika; ny fa­met­rahana fifampiresahana ho fampitoniana; ary ny fandraisana andraikitry ny fitsarana ma­noloana ireo fandikana lalàna amin’ny fifidianana.

R. Nd.

Partager sur: