Fihaonamben’ny governemanta maneran-tany: miitatra ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny firenena vahiny

Fanararaotra lehibe ahafahana mifanakalo sy mifandray amin’ny firenena mpandray anjara aminy izao fihaonambe izao. Anisan’izany i Madagasikara, izay miezaka manamafy sy manatsara ny fifandraisany amin’ireo firenena mpiara-miasa aminy.

Nisy ny fihaonana manokana teo amin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, sy ny praiministra Indianina, Narendra Modi, omaly, ao anatin’ny fihaonamben’ny governemanta maneran-tany, tanterahina any Dubai. Nandritra izany no nanaovana jery todika ny seha-piaraha-miasa maro samihafa, eo amin’ny firenena malagasy sy ny indianina. Tao anatin’izany ihany koa no naneken’ny filoham-pirenena malagasy ny fanasana manokana hanao
fitsidihana ofisialy any Inde. Tanjona amin’izao ny fanamafisana orina ny fifandraisana efa nisy hatramin’izay teo amin’ny firenena roa tonta.
Efa an-taonany maro no nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny ireoto fanjakana roa ireto. Anisan’izany ny ara-tafika amin’ny fanofanana sy fifanakalozana traikefa ary ny fahaiza-manao. Ny fambolena sy ny fiompiana, ny firenena indianina izay mpiara-miasa lehibe, fahatelo, amin’i Madagasikara eo amin’izany sehatry izany. Ny fampianarana amin’ny fanolorana vatsim-pianarana sy ny fampitaovana ny mpianatra eto amintsika. Ny fahasalamana amin’ny fanomezana fanafody isan-karazany sy ny fampitaovana toeram-pitsabona maro. Ny toekarena, eo amin’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra. Ny sehatry ny kolontsaina, eo amin’ny fisian’ny tetikasa fifanakalozana ara-kolontsaina.
Hihamatotra ny fiaraha-miasa amin’i Inde
Tanatin’ny fe-potoam-piasana voalohan’ity fitondram-panjakana ity no anisan’ny nampitombo sy nampiroborobo be ny fiaraha-miasa teo amin’ny fanjakana malagasy sy Inde. Araka ny nambaran’i Bandaru Wilsonbabu, masoivohon’i Inde eto Madagasikara. Vonona ny izy ireo hizara ny traikefany eto amintsika, eo amin’ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajimirindra, ny orinasa fanodinana sy fanamboarana fanafody ary ny eo amin’ny fambolena sy ny fiompiana.

Lin

Partager sur: