Nomen-danja nandritra ny fihaonana an-tampony maneran-tanin’ny governemanta “World Gouvernments Summit”, atao any Dubaï ny fanofanana arakasa. Nisy fanaovan-tsonia ny “Memorandum of Understanding” (MoU), natao omaly. Ny fanombohana ny fandaharam-panofanana momba ny fahaiza-mitarika ho an’ny tomponandraikitra ambony eto amin’ny fanjakana malagasy. Eo koa ny fisantarana ny “Coders initiative”, fandaharam-panofanana mikasika ny “rindrambaiko informatika” (coding informatique) ho an’ny tanora malagasy 1 tapitrisa. Tetikasa roa momba ny fanofanana arakasa no iarahana
amin’ny governemanta Emirati.
Nosoniavin’ny Minister of Cabinet affairs avy amin’ny Emirà Arabo Mitambatra, Mohammad Abdullah Al Gergawi sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rafaravavitafika Ratsara ary natrehan’ny minisitry ny Fampianarana tekinika sy ny fanofanana arakasa, Rakotondrazafy Lalatiana ny MoU. Ny minisitry ny Fampianarana teknika no nanankinan’ny filohan’ny Repoblika ny iraka fifampiraharahana momba ireo fandaharanasa roa ireo miaraka amin’ny Emirà sy ny famolavolana ny MoU, miaraka amin’ny fanohanan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny.
Raha tanora 100 000 no nokasaina hisitraka ny “Coders initiative” tany am-boalohany, hahatratra hatrany amin’ny 1 000 000 ireo tanora hanaraka ny fiofanana momba ny “coding informatique”, tetikasa hatao mandritra ny 3 taona.
Vonjy