Maty voatifitry ny zandary nandritra ny sakoroka tao anaty sasak’alina ny dahalo mpangalatra omby iray. Naka omby antsokosoko tao anaty vala, nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana ny dahalo roa lahy tao amin’ny fokontany Manapape, kaominina ambanivohitra Andranovao, distrikan’i Maintirano, afakomaly alina. Nigadona tao amin’io tanàna io ireo dahalo ireo tamin’ny misasak’alina. Navoakan’izy roa lahy tao anaty vala ny omby. Nentiny nandositra tao anaty haizina. Tsy nampoizin’ireo tsy valahara anefa ny fisian’ny zandary nanao fisafoana. Noraisim-potsiny tsy afa-nandà intsony i Tanory sy ny namany. Norohasin’izy roa lahy hatrany ny omby na dia nanome baiko hijanonan’izy ireo aza ny zandary. Raikitra ny tifitra. Voan’ny bala io dahalo ikoizana amin’ny halatra omby atao hoe Tanory io. Tsy tana ny ainy minitra vitsy taorian’ny fahavoazany. Nanao tongotra an-katoka nandositra ny namany iray hafa izay mbola karohina.
Tsiferana R.