Rajaonarimampianina Hery: “Hitohy amin’ny endriny maro ny tolona…”

“Ho fanavotana ny tanindrazana sy fikatsahana izay mahasoa ny taninjanaka no efa nitolomantsika ary mbola hitolomantsika mandraka an­ke­hitriny”, hoy Rajaonarimam­pianina Hery, filoham-pirenena teo aloha. Ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fanaparam-pahefana, ny fampahoriana ny vahoaka malagasy sy ny famotehana ny toekarem-pirenena ary ny tsy fandriam-pahalemana izay sady mamono no mandringana ny vahoaka sy ny fananany no antony anaovana ny tolona, araka ny nambarany hatrany.
Nisy ny fijoroan’ny Ko­lek­tifa an’ny Malagasy, ny 13 febroary 2024. Tao anatin’izany no nanambaran’izy ireo ny fisokafan’ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra izay mitovy tanjona aminy, na dia tsy tazana nandritra izany fotoana izany aza ity filoham-pirenena teo aloha ity sy ny mpiara-dia aminy. Nilaza kosa izy fa mitohy ny tolona ary tsy hijanona izany raha tsy tratra ny tanjona. “Amin’ny endriny maro no hanohizantsika tsirairay avy ny tolona efa natomboka ary tsy hitsahatra izany raha tsy efa tratra ny tanjona iombonana ho an’ny firenentsika sy ny Malagasy”, hoy ny filoha teo aloha.

Lin

Partager sur: