Fiteny mandrakariva ny hoe ilaina ny mpanohitra. Aiza ho aiza amin’izao? Manana ny fijeriny ny mpikamban’ny biraon’ny antoko Humaniste et écologiste sady mpamakafaka politika, Ralambomahay Toavina,: “Hatramin’izao aloha, marefo ny mpanohitra ary toy ny tsy manana herijika hijoroana “. Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Aiza ho aiza ny mpanohitra amin’ izao?
Ralambomahay Toavina (-): Misy kararazany telo ny mpanohitra: ireo mihevitra hoe tokony hovaina aloha ny lalàm-pifidianana sy ny Ceni ary ny HCC vao miroso amin’ny fifidianana. Misy miomana amin’ny fifidianana toa anay, ary ireo mihevitra toy ny raiamandreny ara-drazana, ohatra, hoe tokony hiverenana tanteraka ny Lalàmpanorenana. Ny tokony hatao voalohany, hampiasaina ny satan’ny mpanohitra izay lalàna hahazoana miasa. Ny akaiky indrindra amin’izay toeran’ny lehiben’ny mpanohitra dia Randrianasoloniaiko Siteny, izay depiote sady kandidà tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika ary faharoa tamin’izany. Tokony hitsangana ny mpanohitra, indrindra ireo eo anivon’ny Antenimierampirenena, dia halaina ny toeran’ny lehiben’ ny mpanohitra. Raha sanatria tsy homen’ny mpitondra indray izay, tokony hiteny amin’izay ny sehatra iraisam-pirenena hoe tena tsy mampihatra Lalàmpanorenana ny Malagasy: tsy tokony hifandray amin’ny fitondrana izy amin’izany.
* Ahoana ny fiatrehana fifidianana?
– Ny lehiben’ny mpanohitra no tokony hanana asa hiroso amin’izany, dia halahatra izay ho kandidà. Tena olana koa ny hoe mpibaiko ny mpanohitra ny lehibeny. Tsy izay fa tokony hanampy an’ireo karazana mpanohitra… Hatramin’izao aloha, marefo ny mpanohitra ary toy tsy manana herijika hijoroana. Ny olom-pirenena koa mitabataba fotsiny fa tsy sahy manohitra. Ny nahatonga an’izay dia fampianaran’ny firaisamonina sivily hoe aza manao politika, ratsy ny politika, maloto ny politika, mangalatra ny mpanao politika… Lasa kamo manao politika ny olona. Izay no mahatonga ny olona tsy afa-mivondrona, fa efa politika raha vao mivondrona. Mafy ny manarina an’izay. Mila haverina hazavaina amin’ny vahoaka fa tsara fa tsy maloto ny politika. Hampianarina ny vahoaka hoe aza manaiky hovidina: tsy hoe manam-bola rehefa kandidà dia mizara vola, fa ny olona aza no tokony hanao latsakemboka ho an’ny antoko politika. Tsy misy an’izany eto. Ho an’ny rehetra ny politika, fa tsy ho an’olom-bitsy.
Nangonin’i R. Nd.