Tanàna roa voatafika : fito lahy nandroba mpandraharaha voasambotra

Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy ireo jiolahy nanafika tao amin’ny tokantranon’ny mpandraharaha iray ao amin’ny fokontany Ampasinambo, kaominina ambanivohitra Lakato, distrikan’i Moramanga ny alin’ny alatsinainy teo. Nanafika tao amin’ny fokontany Ambodi­gavo ireo olon-dratsy talohan’io saingy tsy nahazo na inona na inona ka nifindra tao amin’ny toerana nisy ilay mpandraharaha. Nakoron­tan’izy ireo ny trano ary notereny hamoaka ny vola rehetra tao an-trano ny lasibatra. Namoaka ny vola teo am-pelatanany ilay voatafika. Nanampatra herisetra tamin’ny iray tamin’ireo fianakaviana tao anatin’io tokantrano io ireo mpandroba. Naratra io voadaroka io fa tsy nisy natahorana ny ainy. Nitsoaka avy hatrany izy fito lahy taorian’io.
Nanao fanarahan-dia taorian’ny nahazoany loharanom-baovao ny zandarimaria ao an-toerana. Nifanehatra ta­min’ireo jiolahy ireo tokoa izy ireo ka voasambotra tamin’izany ireo fito lahy tany amin’ny PK 28 lalana mihazo an’Anosibe an’Ala. Nosa­vaina, nahatrarana vola 2 tapitrisa Ar niampy vola sandoka sy rongony fohany mandritra ny fanaovany ny asa ratsiny ireo jiolahy ireo. Ankoatra ireo, tratra teny amin’ireto farany koa ny basy miisa roa sy bala am-polony. Nentin’ny mpitandro filaminana natao famotorana lalina izy fito lahy ireo taorian’izay. Nitoroka ny mpaniraka azy izy fito lahy. Nanao paika nisamborana io atidoha io ny zandary ka notanana miaraka amin’ireo namany io mpikonokonona ny fanafihana ataon’ireo jiolahy miisa fito ireo. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: