“Tsy misy kajikajy politika io”, hoy ny filoha nasionalin’ny RPSD, Andriantsizehena Benja Urbain, manoloana ny fanehoan-kevitry ny antoko na mpanao politika sasany fa misy kajikajy politika ny volavolana tetiandrom-pifidianana naroson’ny Ceni ho an’ny governemanta ny amin’ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fifidianana kaominaly. Kianjan’ny demokrasia ny Antenimierampirenena, kianja politika. Ny dikan’izay: omeo sehatra ny antoko politika hirotsa-kofidina. Raha vao tsy olona voavolavola ao anatin’ny antoko politika no lasa solombavambahoaka, toy ny zava-misy amin’izao fotoana izao: “Maro anisa ny IRD, nefa be tsy andraofana”, hoy izy. Lasa mivaona any amin’ny tsy izy ny zava-misy eny amin’ny Antenimierampirenena.
Aminy, tokony hijery akaiky ny vondrona antoko politika rehetra sy ny antoko rehetra manohana ny fitondrana mba hanambatra hery. Amin’izay, mba ny antoko politika no tokony ho maro anisa eny amin’ny Antenimierampirenena. Misy fitsipika mifehy azy ny antoko politika. Ao amin’ny Antenimierampirenena misy fitsipika koa. Raha mpandraharaha no atao solombavambahoaka, tsy voafehy izany. Satria izay mahamaika azy ihany no mahamaika azy sy ataony. Raha avy amin’ny antoko politika no atao ao amin’ny Antenimierampirenena, voafehin’ny fitsipiky ny antoko izy: manohana hatramin’ny farany izay olona tohanana.
R. Nd.