Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto scooter iray teny By-pass mihazo an’Iavoloha, omaly alina tokony ho tamin’ny 8 ora. Nikasa hianatsimo ilay mpitondra moto. Nifanojo tamin’ny mpitondra bisikileta iray avy any amin’ny lalam-pirenena fahafito izy. Samy tao anatin’ny hafainganam-pandeha, niala tampoka io bisikileta nifanitsy taminy io ilay lehilahy nitaingina moto. Poa toy izay, nisolifatra tamin’ny arabe ity farany ka nifatratra avy hatrany tany ambany kamiaobe nandalo. Notetezin’ny kodiaran’ny kamiao avy hatrany ny lohan’ilay mpitondra moto. Tapitra teo no ho eo ny ainy satria niparitaka tamin’ny arabe ny lohany. Nifamonjen’ny manodidina ilay mpitondra bisikileta izay naratra mafy. Nentina notsaboina eny anivon’ny hopitaly ilay mpitondra bisikileta. Potika tanteraka ilay moto sy bisikileta niharan-doza. Marihina, matetika mitera-doza ny tsy fitandreman’ny mpampiasa arabe rehefa manorana ny andro.
Tsiferana R.