Craam Ankatso: haneho ny kantony i Abtoi Hi Hou

Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 15 marsa 2024, eny amin’ny Craam Ankatso, ny fampirantiana “Entre soi”, iarahana amin’i Abtoi Hi hou, Malagasy mpahay kanto misehatra eo amin’ny fanaovana hosodoko. Maneho ny maha izy azy manokana sy misambotra ny fahasamihafan’ny toetra mampiavaka ny tsirairay ity mpahay kanto ity, ao anatin’ny fampirantiany. Tanjona ny hane­hoana ny fifandraisana eo amin’ ny samy olombelona sy ny fa­nahy amin’ny alalan’ny haikanto hosodoko.
Harantiny amin’ny daholobe ny “Entre soi”, taorian’ny iray vo­lana namolavolany izany. Amin’ ny alalan’ny sanganasa, manamaivana ny fanehoan-kevitra miovaova izay manambara ny lafiny maro amin’ny maha olombelona ny mpahay kanto. Mam­pahatsiahy antsika ny tsy fahalavorariantsika amin’ ny alalan’ ny sary tsy mahazatra, mavitrika amin’ny hetsika sy ny fiainana.
Manasa antsika hisaintsaina ny diantsika manokana, amin’ ny fikatsahana tsy manampetra ny fahalavorariana mamitaka i Abtoi Hi Hou. Araka ny nambaran’ny Tomponandraikitra, mam­­pa­hatsiahy fa ao anatin’ ny tsy fahatanterahana no itoeran’ny harentsika sy ny tena maha olom­belona antsika ny « Entre Soi ».

Lin

Partager sur: