Sekoly 15 manerana ny Dren Boeny, Atsimo Andrefana ary Anosy no notoloran’ ny orinasa Airtel fitaovam-pifandraisana na “Box” ahafahan’ireo mpianatra sy ireo mpampianatra miditra ao amin’ny tranokalan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mandranto ireo loharanom-panabeazana isan-tsokajiny amin’ny endriny samihafa. Natao ny volana febroary 2023 ny fifanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa teo amin’ity minisitera ity sy ny Unicef ary ny orinasa Airtel Madagascar mahakasika ny tetikasa nomena ny anarana « Reimaginer l’éducation ».
Nanomboka ny volana desambra 2023 no natolotra ho an’ireo CEG mahafeno fepetra miisa 20 avy ao amin’ny Dren Vatovavy, Fitovinany, Androy, Analanjirofo ary Atsimo Atsinanana, ny fitaovana mifandraika amin’ny fanatanterahana ny tetikasa. Notombanana ny vokatry ny tetikasa, tamin’ity herinandro ity.
Nahitana fivoarana teo amin’ireo mpianatra sy mpampianatra ny fampianarana niomerika, araka ny tatitra avy amin’ireo Dren valo: Boeny, Atsimo Andrefana, Anosy, Androy, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Analanjirofo, iantsorohan’ny Unicef. Ilaina ny fanaraha-maso ahafahana mandrefy ny vokatra azo sy manatsara ny teknolojia ampiasaina.
Vonjy A.