Tontosa omaly ny hady fototry ny sekoly ambaratonga voalohany (EPP) etsy Andohalafy, kaominina Ankadimanga, distrikan’Atsimondrano. Hisitraka izany ireo zaza malagasy miisa 100, mandranto fianarana eny an-toerana. Nahafahana nanao izany ny famatsiam-bola avy amin’ny fikambanana mijery ny zaza sahirana, ABED Madagascar. Tsy ampy ny efitra hianaran’ny ankizy eny an-toerana, efa simba ihany koa ny fotodrafitrasa amin’ny ankapobeny, ka anton’ny fanavaozana. Halehibiazina atao efitra telo ireo efitra tranainy ao
amin’ny sekoly. Hatsaraina ihany koa ny fotodrafitrasa rehetra mahakasika izany. Toy ny tafo, varavarankely, fitaovana enti-mampianatra… Hisy ihany koa ny efitra vaovao iray hafa sy ny fitoeran’entan’ny sekoly. Tanjona ny hanatsarana ny sekoly sy hampiakarana ny fari-pahaizan’ny mpianatra.
Hanatsara ny fari-pahaizan’ ny mpianatra
Hitondra voka-tsoa maro eo amin’ny mpianatra ny fanavaozana ny sekoly. “Hampitombo ny isan’ny mpianatra miditra an-tsekoly sy hanatsara ny fari-pahaizan’ny ankizy izany”, hoy ny talen-tsekoly, Vololonirina Hanitra. Nilaza izy fa hampavitrika ny fampitan’ny mpampianatra ny fahalalana ihany koa izany. Nohamafisiny fa hanara-maso sy hikolokolo ary hanaja ny fotodrafitrasa ny mpianatra sy ny mpampianatra. Mba ho lovan’ny taranaka fara-mandimby.
Mahatratra hatramin’ny 100 000 000 Ar ny lelavola hanavaozana ity EPP ity. “Maharitra eo amin’ny roa volana, ny faharetan’ny asa”, hoy ny filohan’ny fikambanana ABED Madagascar, ny Dr Andriatahianjanahary Marie Madeleine.
Mino