FANTINA sy FINTINA

Teboka iray goavana tao anatin’ny fifampiresahan’ny filoha Rajoelina sy ny Praiminisitra indianina, i Narendra Modi, tany Dubaï, afakomaly, ny fanoloran’ny governemanta indianina fiaramanidina an’i Madagasikara ho amin’ny fiarovana, araka ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafara­vavitafika. Hatolotra amin’ny fomba ofisialy mialoha ny 26 jona izany.

Nifarana vonjimaika omaly ny fisoratana anarana amin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana. Ho an’ireo tsy tafiditra tamin’ny lisitra teo aloha izany, ireo vao feno taona, ireo nifindra fonenana… Amin’ny 15 mey no hikatona tanteraka izany, fa mbola mahazo manamarina ny momba azy ny olom-pirenena aorian’ny fandefasan’ny Ceni ny lisitra vonjimika eny amin’ny fokontany.

Mandray anjara amin’ny fihaonamben’ny filohan’ny Antenimierandoholona avy aty Afrika sy Amerika latina ary ny vondron’ny tany Arabo, i Madagasikara. Any Maroc, ny 15 sy 16 febroary 2024, no hanaovana izany. Ny Jly Ravalomanana Richard, filohan’ny antenimierandoholona, no misolo tena antsika amin’izany.

Efa mihatra any amin’ny sampandraharaha momban’ny fananan-tany manerana ny Nosy ny naoty laharana 060-MDAT/ Mi.24, ny 8 febroary 2024, avy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, manatsahatra ny fandraisana fangatahana tanim-panjakana vaovao, mandritra ny 90 andro. Fijerena sy famitana ireo fangatahana teo aloha no anton’izany.

Partager sur: