Tontosa omaly, teny amin’ ny Lapan’ny Akademia Malagasy, Tsimbazaza, ny loabary an-dasy, ivon’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy (Fimpima). Nanomboka omaly ary hofaranana amin’ny fambolen-kazo rahampitso. Ankoatra ny lanonam-panokafana ny ivon’ny fankalazana, hetsika maro no nentina nanamarihina ny fankalazana ka maro ireo manam-pahefana sy tomponandraikitra samihafa niatrika izany. « Kabary maro vany, maro lafy » no lohahevitra fototra. Tanjona ny hampiakarana ny hasina sy ny lentan’ny kabary malagasy.
Ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ny Fimpima ny teny amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy, niaraka tamin-dRakotondrasoava Fetraniaina Mamimbahoaka, Sekretera jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, nisolo tena ity minisitera mpiahy ity. Teo ihany koa ireo Olobe eo anivon’ny Akademia Malagasy sy ny avy eo amin’ny Havatsa Upem. Nandravaka ny lanonana, omaly, ny fampirantiana mahakasika ny teny sy ny kabary, nampahafantarana ireo loharano nipoiran’ny kabary, indrindra ny Fimpima. Teo ihany koa ny fanolorana mari-boninahitry ny kanto, ny teny sy ny kolontsaina, ho an’ireo mpikambana eo anivon’ny Fimpima, nahafeno fepetra ka mendrika izany.
Fotoan-dehibe ho an’ny mpikambana eo anivon’ny Fimpima, ny anio, hanatanterahina ny loabary an-dasy. Hiresahana ny kabary sy ny manodidina azy. Hijerena ny olana maro samihafa, ary handraisana vahaolana sy tolo-kevitra avy amin’ny mpanatrika, amin’ny maha loabary an-dasy azy.
Lin